Hanao fampisehoana ireo mpianatra mpitendry amponga maroanaka, mpianatr’i Mendrika Rasolomahatratra. Rahampitso manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny CGM Analakely, izany. Fanaon’ny sekoly, mba hanomezana sehatra voalohany ireo mpianatra ao aminy, ny haka endrika fitsapam-pahaizana.
Nodimandry Rabarivola Andriamihaja, fantatra amin’ny anarana hoe Ndrema. Mpanakanto izy ary zanak’i Romule tao amin’ny Kintana Telo. Anisan’ny nahafantaran’ny maro azy ny famerenana ireo hira nataon’ny rainy. Na tsy dia mpiaka-tsehatra firy aza, maro ireo mahalala an’i Ndrema. Efa nanam-pikasana ny hamelona an-tsehatra ny sanganasan-drainy rahateo ireo zanak’i Romule.
Fety be no hitsenan’ny vahoakan’i Mahajanga an’i Kelly West, mpandresin’ny «Beatbox Battle Madagascar 2024», amin’ity anio ity. Diabe no hanombohana izany, hitohy amin’ny fandefasana ny horonantsary mirakitra ny dingana nolalovan’i Kelly West nandritra ny fifaninanana. Hisy ihany koa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra ary hofaranana amin’ny seho ataon’ity tompondakan’i Madagasikara ity.
“Mpanov’Azy”, fampisehoana iarahana amin’ ny tarika Da Hopp eny amin’ny Ivokolo Analakely, anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Voafetra ny toerana amin’ity fampisehoana ity. Nampanantena ireo mpankafy kosa anefa ny tarika fa efa manomana hetsika goavana ho an’ireo mpankafy izy ireo amin’ny taona 2025.