Mizara ireo tosika ataony mandritra ny roa andro hampiroboroboana ny fandraharahana eto amintsika ireo rafitra mpanohana mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany.
Hita mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fikambanan’ireo mpanohana ny fandraharahana,
«Village des structures d’accompagnement d’entreprises» (SAE). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny Herinandron’ny fandraharahana «Global Entrepreneurship Week (Gew) 2024”. Manohana ny SAE ny tetikasa Incuboost izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Onudi ary ny UNCDF. «Tanjona ny hanohanana sy hampahafantarana ireo mpanohana ny mpandraharaha manerana ny Nosy, noho izy ireo manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana», hoy ny solontenan’ny Onudi, Rakotomiaranjato Manou, nandritra ny fampahafantarana ny rafitra. Manohana sy miara-dalana ary mampiroborobo ireo orinasa ny SAE. Noho izany, hivondrona ao anatiny ireo rafitra miisa 36 avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mba hahafahan’ireo tanora mifandray mivantana amin’ireo mpanohana azy. Tafiditra ao anatin’izay ireo mpampiofana, «incubateurs”, “accélérateurs», ny banky isan-karazany ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy mpamatsy vola samihafa.
Tohana
Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fandraharahana sady rafitra manontolo mampifandray ireo sehatra samihafa. Hanampy sy hanoro ireo tanora amin’ny seha-pihariana tiany handraharahana ny SAE sy ny Gew. Voaresaka ao anatin’izany ny famolavolana ny toe-tsaina handraharaha, izay hanampy sy hitondra vahaolana eo amin’ny tsena, araka ny fanazavana voaray. Tafiditra ao anatin’izay ny fototry ny asa atao, ny kalitaom-bokatra, ny fanondranana any ivelany ary ny tohana hanatanterahana ny tetikasa mba hahamatihanina ny fihariana.
Henintsoa Hani.