Miavaka sy manana kalitao ny vokatra malagasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nilahatra tamin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena eo amin’ny indostrian’ny akora ara-tsakafo biolojika sy natoraly maneran-tany i Madagasikara, mandritra ny hetsika «Food Ingredients Europe (FIE)», tany Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatra malagasy biolojika.
Nisolo tena antsika ireo orinasa miisa sivy mandray anjara amin’ny hetsika, nisy ny Havamad, SOFREX, APL Vanilla & Spices, Phael Flor Export, Jacarandas International, Pink Bay Madagascar, Madagascar Vanilla Export, MC Ingredients ary ny Pure Vanilla. Nanome tohana sy nampahafantatra ny fambolena biolojika sy ny vokatra avy eto an-toerana ny tetikasa PIC Madagascar, ny fandaharanasa Padeir, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ary
ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahana mampiroborobo ny fambolena biolojika eto Madagasikara sy hitadiavana fiaraha-miasa ara-barotra any ivelany ny hetsika toy izao. Marihina fa 157 miliara dolara ny tsenan’ny vokatra biolojika maneran-tany, ny taona 2022. Hiakatra 12,6% isan-taona izany hatramin’ny taona 2029. Ho an’i Madagasikara, nandrakotra ny
112 000ha velaran-tany sy nahakasika mpamokatra 70 000 ary niantoka ny 10% ny fanondranana nataontsika ny fambolena biolojika, ny taona 2021. Na izany aza, mbola ny 40% ny vokatra «bio» eto amintsika ihany no voahodina eto an-toerana, raha haondrana avokoa ny 60%.
Henintsoa H.