VAOVAO TAMBATRA

Hiakatra eto an-dRenivohitra, manomboka ny 2 desambra, ireo fitaovana sy kojakoja handrafitra ny milina 105 MW ao Ambohimanambola. Hamerina amin’ny laoniny ny famokarana herinatra eo amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ireo fitaovana ireo. Arahi-maso ihany koa ny asa maika natao hanamafisana ny tetezana miisa 13 eny amin’ny RN2 mba hitaterana haingana ireo fitaovana ireo.

Miantoka ny 40,52% ny harinkarena faobe eto Madagasikara ny fanondranana entana. Ny taona 2023, mitentina 3 227 416 000 dolara ny vola niditra tao amin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay tafidina hatrany amin’ny 15,7%. Manome tantsoroka ny sehatra tsy miankina hampakarana ny varotra ivelany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.

Tafapetraka ny « connexion internet » ao amin’ny Campus Université Barikadimy Toamasina. Hanampy amin’ny fianarana sy mamaly ny filan’ireo mpianatra ny tetikasa. Nisitraka izany ihany koa ny CHU Analakininina mba hahafahan’ireo mpitsabo manohy ny fikarohana ataony, indrindra ho an’ireo mpianatra mandrato fianarana ao an-toerana. Tanjona ny hampiroboroboana ny fisitrahana ny « connexion internet » ho an’ny rehetra.

Partager sur: