Mavitrika ny fikambanam-behivavy amin’ny fambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Toy ny fikambanana Fanambinana, any Ambodivohitra Androfia.
Anisan’ny Tantsaha mpampiofana (PF), any Androfia Morarano Gara, i Valerie Bienvenue. Manana tanimboly fitaratra na «vala tahaka», mampihatra ny teknikam-pambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, notohanan’ny Conservation International (CI), izy. Ataony ny voly rakotra sy ny fifandimbiasam-boly ary ny ala vadim-boly. Nanomboka izany izy ny taona 2022. Ampiharany ny fahaiza-manaony ny voly maharitra, toy ny voankazo sy kafe, miampy ny voly mihodina (tsaramaso, katsaka, anana, korzety, kokombra, pasteky, katsaka, sns).
Manampy ny fampiofanana teknika, novatsian’ny CI kojakoja sy fitaovam-pamokarana, ihany koa ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Fanambinana, toy ny masomboly, siny fanondrahana, angady sy ny hafa.
Amin’ny maha famokarana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro azy, tandrovana ny tontolo iainana sy ny tontolo mananaina. Tsy mampiasa akora sy fanafody simika hiarovana sy hampalonaka ny nofon-tany. «Ampiharinay ilay antsoina hoe Ady gasy, hatao fanafody voajanahary hiadiana amin’ny bibikely, sady manatsara ny nofon-tany. Afangaro ny ravina maitso samihafa misy ety an-toerana (voandelaka, dingadingana, radriaka, tefrozia, zezik’omby, kaonsoda,…), milanja 2 kilao, atao anaty rano 20 andro, alona mandritra ny 15 andro», hoy i Bienvenue.
Mihatsara ny velon-tena
Tsy latsa-danja koa ny fambolena voankazo (letisia, paiso,sns) sy hazo mampidi-bola, toy ny kafe. Vao roa taona monja dia mamoa ny hazo letisia an’i Bienvenue. Nambarany fa « tombontsoa lehibe no azon’ireo mpikambana 32 ao anatin’ny fikambanana Fanambinana. Mahasalama ny sakafo vokarina satria voajanahary. Mihatsara ny velon-tena, ahafahana mampiana-janaka, anitarana ny fiompiana ny vola azo avy amin’ ny vidin’ny vokatra, sns. Afaka mahaleo tena tsara izahay na efa tapitra aza ny tetikasa notohanan’ny CI ».
Njaka Andriantefiarinesy