Jirama : mitohy ny fandatsahana orana

Feno ny fepetra! Efa nilaza ny fiandohan’ny herinandro lasa teo ny Sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro, fa mety ho avy ny orana ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ity sampandraharaha ity fa tanteraka tokoa izany vinavina izany, satria feno ny fepetra teto afovoantany. Koa, niroso tamin’ny fandatsahana orana artifisialy eny ambonin’ny fiaramanidina, ny zoma 22 teo, tany Tsiazompaniry sy Mantasoa, entina hanampiana ny rano any amin’ireo farihy mamatsy rano ny Jirama ireo. Nitohy ny sabotsy 23 novambra ny hetsika ary nirotsaka ny orana, omaly.
Nomarihiny koa fa azo tanterahina koa ny fandatsahana orana any Andekaleka sy ny tapany atsinanana, araka ny vinavinan’ny toetry ny andro avy amin’ny zanabolana, sady ho tohizana ny any Mantasoa sy Tsiazompaniry ho an’ny aty afovoantany.
Ho azo antoka fa hiampy ny rano ilain’ny Jirama hamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano. Afaka manohy ny famboleny koa ny tantsaha, indrindra ny mpamboly vary.

Njaka A.

Partager sur: