Ambohipihaonan’ny zavakanto sy ny fanatanjahantena, indrindra ny haisoratra sy ny taranja tenisy, ny fotoana hamoahana ny boky Happy story of my tennis life.
Hotanterahina ny alarobia 27 novambra, eny amin’ny Amicale culturelle et sportive d’Ambohidahy (ACSA), ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky Happy story of my tennis life, nosoratan’i Serge Ramiandrasoa. Misokatra ho an’ ny rehetra ny hetsika ary hanasana ireo mpankafy haisoratra sy boky. Eo ihany koa ireo mpiangaly sy mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny taranja tennis. Tanjona amin’izao famoahana boky izao ny famaritana lalana ho an’ireo taranaka any aoriana sy ho fampahafantarana ny zava-bitan’ ireo andrarezina eo amin’io taranja io.
Amin’ny ankapobeny, boky mirakitra ireo tantara sy fahombiazan’i Serge Ramiandrisoa teo amin’ny tontolon’ny tennis no resahina ao anatiny. Serge Ramiandrisoa izay nilona teo amin’ity taranja ity nandritra ny 50 taona. Ny filalaovana, fitantanana teo anivon’ny rafitra maro, fifaninanana maro natrehina sy nokarakaraina. Izany no mandrafitra ny boky. Fiaraha-miasa avy amina olona sy rafitra maro ihany koa no nahatanterahina izany. Anisan’izany ny ACSA, ny Niag ary Randriantefy Max, izay niara-nisalahy tamin’i Serge Ramiandrisoa tamin’ny fanatontosana.
Anisan’ny tosika manokana sy manaitra ny hambompon’ny mpiangaly ny taranja tennis ny sahala amin’izao, ahafahany mahita sy mahafantatra ny zava-misy sy miandry azy raha tiany ny handroso sy hiditra lalina kokoa amin’ilay taranja.
Lin