Ny faha-22 ny volana novambra lasa teo no tapitra ny 100 andro nilokalokan’ny minisitra isan-tsokajiny fa hitondra fanovana goavana ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo. Vaninandro nihanianana ampahibemaso fa raha tsy mahavita izay nolazaina dia azo esorina na hanala tena? Efatra andro izay no lasa tsy mbola naheno siosion-dresaka aloha hoe nisy nametra-pialana, hono, nanaja tena fa tsy nahavita izay nandrasana.
Iaraha-mahalala rahateo fa tao anatin’izay telo volana izay, tena nivadika ny tany aman-danitra. Ny fahantrana no zary andavanandron-dRamalagasy. Ny havoretrana sy ny loto no tontolo natao iainany isan’andro. Ny tsy fandriampahalemana sarontsaronana fotsiny amin’izatsy hetsika izatsy na izaroa. Tena zara raha misy zavatra mandeha eto amin’ny tanàna.
Asa, tsy mba iharan’izany fijaliana izany angamba ireo mpikambana amin’ny governemanta sy ny fianakaviany? Sanatria lany henatra tsy misy sahy manipy tablie! Rehefa midofotra anefa ny lamasinina, ilay filohan’ny Repoblika hatrany no mahazo tsiny amin’ny vahoaka. Ny filoha Rajoelina Andry na ny vadiny hatrany no mamono afo etsy sy eroa.
Misy minisitera tena tsy hita tabilao velively. Misy na ny anarany sy ny tarehiny aza tsy hain’ny vahoaka akory. Misy ny minisitera, tsy ny asa ankinina aminy no misongadina, fa ny tenany maka “selfie” etsy sy eroa amin-drendrarendra tsy mahakasika ny besinimaro. Mbola ho ela vao hisy izany fahatsapan-tena izany ho an’ny olona tsy mahomby eto Madagasikara.
Iza no ho sahy ho modely tsara sy hametraka tantara, mahay hanaiky tsy fahombiazana? Olona toy izany no ilain’ity firenena mahasarotiny ny Malagasy ity. Rehefa mbola samy ho tia tena, matimatin’ny sitrany ahay, dia aza gaga raha miseholany ny endri-panjanahana vaovao.
r.r