Ambatondrazaka: Nahazo alalana ny mpitrandraka madinika any Antandrokomby

Natolotry ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rako­­tomalala Herindrainy Olivier, ny 22 novambra teo, ny tara­tasy fahazoan-dalana ho an’ ny mpitrandraka madinika ho an’ny vondrona Firaisankina (Amea) any Antandrokomby, kaominina Ambohitsilaozana Ambaton­dra­zaka, izay mitrandraka vatosoa quartz rose.
Nambaran’ny minisitra fa mila fahazoan-dalana (permis) avy amin’ny minisitera ny fi­tran­drahana harena an-kibon’ ny tany rehetra eto Madagasi­kara. Ao anatin’ny fari-pitrandrahana misy tompony ara-dalàna ity toerana any An­tan­drokomby ity, manana fahazoan-dalana hikaroka.
Raha ny lalàna teo aloha, tsy azo atao ny mitrandraka ao anaty fari-pitrandrahana misy « permis ». Efa nohavaozina ny lalàna, ka azo atao izany rehefa mahazo fankatoavana avy amin’ny tompon’ny fahazoan-dalana. Izay no mahatonga ny vondrona Fi­raisan­kina afaka miasa ao amin’ny fari-pitrandrahana madinika. Izy ireo no voalo­hany nahazo ny Amea, izay manan-kery mandritra ny enim-bolana.

Njaka A.

Partager sur: