Nahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny masoandro ny fokontany Ambodimanga, kaominina Rantabe, distrika Maroantsetra. Mahatratra 25 KVA ny tanjaky ny milina, mamokatra 33 KWc. Miisa 6 500 ny mponina misitraka azy, ahitana tokantrano 1 511. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina.
Nidina ho 2 000 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy, raha 3 000 Ar teo aloha. Voalazan’ny mpivarotra fa miaka-bokatra ny avy any Mampikony sy Morondava, mahatonga izao fihenam-bidy izao. Tsiahivina fa efa nahatratra 7 000 Ar ny kilao tamin’ny volana jona, teto an-dRenivohitra, ary nanomboka nihena ny volana septambra.
Mitohy ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo. Eo am-pandrarahana godirao ny eny amin’ny fiolanana Anosibe-Namontana sy ny eny amin’ny fiolanana Ambatobe. Hatao ny fivarinan’ny rano eny Ambodin’Isotry. Nandrafetana vy atao fototra ny lavaka niforona eny Mandroseza.