Nidina ifotony tany amin’ny faritra Sofia sy Diana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, hanatsarana ny famokarana. Miisa 200 ny tantsaha nozaraina kojakoja sy fitaovam-pamokarana tany Kalandy, distrika Mandritsara, faritra Sofia. Mirefy 250 ha ny lemaka voatondraka afaka hamokarana any an-toerana. Nojeren’ny minisitra ny toerana hananganana ny abatoara famonoan’omby manara-penitra. Nomena fitaovam-piasana koa ireo mpiasa misahana ny biby fiompy (APPS), nahavita fiofanana. Notsidihina ny kolejy Fanovozantsoa any Befandriana Avaratra, mampiofana mandritra ny 3 taona, ny mahakasika ny teknikam-pambolena sy fiompiana, fitantanana ara-pamokarana ary ny fanodinam-bokatra.
Nojerena koa ny fivoaran’ ny asa fanarenana ny fefiloha mirefy 150 m any Ambilobe, faritra Diana, simban’ny rivodoza Gamane. Efa vita ny 90% ny asa izay manondraka ny lemak’i Mahavavy mirefy 18 000 ha. Manatanteraka izany ny orinasa Colas. Hiteraka tombontsoa lehibe ho an’ny mponina, indrindra ny tantsaha, ny fahavitan’ity fefiloha ity, satria miaro ny renirano tsy hivarina any an-tanimbary sy ny tanim-pary, miantoka ny fiveloman’izy ireo.
Njaka A.