Fitantanana orinasa: Antoky ny fahombiazana ny fanavaozana

Fampandrosoana. Mian­toka ny fampiroboroboana ny orinasa ny fanavaozana ny fahaiza-mitantana. Nitondra ny anjara birikiny sy nizara ny traikefany momba izany, nandritra ny Andron’ny mpitan­tana olombelona (Journée des ressources humaines), ny faran’ny herinandro, tao Toa­masina, i Dr Fabrice Lollia. Nasongadiny manokana ny fahaiza-mitantana ny angovo sy ny fihetsehampo. Foto-kevitra sy toe-tsaina voizin’ireo mpa­nao fanatanjahantena matihanina izay azo hampiharina eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Paikady sy voka-pikarohana siantifika avokoa ireo novoaboasany ireo, hanomezana ainga vao ny fitantanana orinasa. Tafiditra ao anatin’izany ireo tetika mahomby hanatrarana tanjona apetraka. Maro, hoy ity manam-pahaizana ma­nokana ity, ny tombontsoa amin’ny fivoizana ny toe-tsainan’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ ny fandraharahana.
Ankoatra izay, ilaina ny fifantohana sy ny fahavononana. Mila omen-danja ihany koa ny tsirairay noho izy miantoka manontolo ny fampiroboroboana ny orinasa. Takina ao anatin’ny fitantanana ny fahaiza-miaraka amin’ny ekipa, ny faharetana, ny fikirizana ary ny fifanajana. Zava-dehibe, araka izany, ny fiaraha-mientan’ny rehetra hiatrehana ny zava-misy sy hanatrarana ny fanamby iraisana.

Henintsoa H.

Partager sur: