“Fianar Reggae Festival”: hosokafan’i Orelsan amin’ny iraisam-pirenena

Mpanao rap, saingy misokatra amin’ny mozika rehetra Orelsan. Nirona amin’ny reggae izy sy ny tetikasa Ony, ka hanokatra ny “Fianar Reggae Festival” amin’ny “SunSka Festival” amin’io taona ho avy io.

Anisan’ireo “festival” ma­totra, niezaka nisy hatrany sy nivoatra foana ny “Fianar Reggae Festival”. Tsy very maina izany ezaka izany, fa hitan’ireo mpanaraka, ary anisan’ireny i Orelsan. Mpana­kanto mpanao rap frantsay, nisehatra vao haingana teto ary manambady Malagasy izy. Tompon-kevitra voalohany amin’ny tetikasa Ony, izay manampy ny zavakanto ma­lagasy sy manome sehatra ivelaran’ireo mpanakanto eto sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy.
Hisy, araka izany, ny fiaraha-miasa amin’ny “SunSka Festival” amin’io taona ho avy io. Hetsika lehibe indrindra any Frantsa miompana amin’
ny gadona reggae, ska, dub ary hip hop izy ity, fanao any Vertheuil, Bordeaux, Frantsa. Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 3 aogositra 2025 izao ny andiany faha-28 amin’ity “SunsKa Festival”. Mazava loatra fa handefa mpanakanto malagasy handray anjara
amin’ny hetsika ny “Fianar Reggae Festival”, amin’ny alalan’ny tetikasa Ony. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’i Oreslan sy i Fred Lachaize, amin’ny fanatontosana izany. Tsy ny fandefasana na fanafarana mpanakanto ihany, fa eo ihany koa ny fifampizarana traikefa amin’ny fikarakarana, eo amin’ny festival roa tonta.
“Mampitombo ireo fiarahanay miasa amin’ireo firenena maro izahay. Taorian’ireo Nosy any Antilles, hitodika aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina indray ny SunSka Festival, ka hizara ny traikefa amin’ny fikarakarana sy artistika. Hanokatra ny lalan’ireo mpanakanto eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izany”, hoy ny nambaran’i Fred Lachaize.
Tsiahivina fa vao nanokatra ny Ony House i Oreslan sy ny vadiny ary ny ekipan’ny te­ti­kasa Ony. Tosika lehibe ho an’ireo mpanakanto sy ireo mivelona manodidina ny zavakanto ity toerana ity. Ankoatra ny maha toeram-piasana, toeram-piofanana ihany koa ny Ony House. Manodidina ny mozika, sarimihetsika, sarimiaina ary “jeux videos” hatreto no hitondran’izy ireo tolo-tanana ho an’ny mpisehatra.

Zo ny Aina

Partager sur: