Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 15 desambra izao, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampirantiana « 19 :19 » an’i Nofy Rajerneson. Hetsika tafiditra ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy (VBG). Amin’ny alalan’ny saripika no entin’i Nofy Rajerneson maneho ny fandraisan’anjarany amin’izany. Miaraka manatontosa aminy izany i Aina Zo Raberanto. Tanjon’ny hetsika ny haneho ny zava-misy manoloana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy amin’ny alalan’ny zavakanto.
Naka sombim-piainana, fihetseham-po sy fihetsika, nampita ny fanaintainan’ireo niharan’ny herisetra i Nofy Rajerneson. Ity fampirantiana ity izay hitarika fihainoana sy fandinihana ho an’ny mpijery azy. Volana maromaro no namolavolana azy ary nofantenana hifanaraka amin’ny vokatra tiana hotratrarina ireo sary ampiasaina. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana ny hetsika.
Lin