Seho tsy fahita firy! Hotanterahina ao amin’ny La Cabane Andavamamba, ny sabotsy 7 desambra izao, manomboka amin’ny 5 ora hariva ny «Mi-Rock and Folk», ahitana ny tarika Serge GPE sy ny tarika Lay. Samy hanao ny hirany izy ireo. «Ankoatra ireo hira nahafantarana anay hatramin’izay, amin’io fotoana io ihany koa no hanoloranay ho an’ny mpankafy eny an-toerana, ireo hiranay vaovaobe tsy mbola heno tany amin’ny Radio na hita tany amin’ny Televiziona», hoy i Serge GPE. Ny «folk», anisan’ny mampalaza sy ahafantarana ny tarika Lay no hoentin-dry zareo eny an-tsehatra mandritra ny «Mi-Rock and Folk».
Anisan’ny seho tsy fahita matetika ny tahaka izao.
Miandrandra fampiaraham-peo
Miandrandra fampiaraham-peo ny mpitia zavakanto. Manantena ny fifanakalozana sanganasa ao anatin’ny « Mi-Rock and Folk » ihany koa. Hamaly io hetaheta io ny tarika roa tonta raha ny fanazavan’i Serge GPE hatrany. « … Mety izahay no hanao ny hiran-dry zalahy », hoy izy.
Raha tsiahivina, na samy hafa aza ny karazan-kiran’ny Serge GPE sy ny tarika Lay, anisan’ny mampitovy azy ireto kosa ny fananana tononkira mafonja sy mampita hafatra ho an’ny sokajin-taona rehetra indrindra fa ny tanora. Hanafana ny fotoana ihany koa ny Dj Chris Lazer. Vahiny nasaina kosa i Valeria A.
HaRy Razafindrakoto