TARATRY ny KANTO

Ao anatin’ny fahavaratra tahaka izao no hamoronan’ny mpihiragasy ny renihira. « Tsy maintsy omena hira vaovao ny mpijery hiragasy. Raha tsy mahavita izany ny tarika mpihiragasy iray, sarotra ho azy ny ahita na ny hanao adin-kiragasy », hoy i Dadafara Ramilison. Ny asa famoronana tahaka izany no anisan’ny mampisy aina ny tontolon’ny hiragasy, satria, tsy maintsy misy hatrany ny vaovao.
Hitohy ny sabotsy 30 novambra izao ny « Mpamaliha mitety Tranomboky”. Hetsika fitetezana ireo tranomboky eto Antananarivo Renivohitra, ataon’ny fikambanana Mpamaliha. Tranomboky monisipaly Analakely sy Ambatobe ary Morarano Mahazoarivo no hisitraka ny hetsika. Fampisehoana sy fampahafantarana ny valiha mandritra izany.
Mitohy hatrany ny atrikasa “Hay” tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena. Atrikasa natao ho an’ireo ankizy mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra eto amin’ny fari-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Tanjona ao anatin’izany ny hisintonana ireo ankizy ho liana amin’ny zavakanto sy hiangaly izany.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny “Andron’ny kilalao malagasy”. Hetsika karakarain’ny ORMada natao hampahafantarana ireo kilalao malagasy. Ho hita mandritra izany ny katro, fanorona, tsobato, vitsilia…Ankoatra ny kilalao, handravaka ny hetsika ihany koa ny angano sy tantara.

Partager sur: