Fiovan’ny toetr’andro : Miova ny fomba fambolem-bary

Tsy maintsy atrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa izany ny tantsaha any amin’ny fokontany Avaradrano, kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka. Misongadina ny zava-bitan’ny fikambanana Avotra, mampihatra ny fambolem-bary afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanteraka izany noho ny tohana nomen’ny Conservation international (CI), nampiofana ny fomba fambolem-bary manara-penitra. Anisan’ny nisitraka izany Raholdina Maxime, mpikambana ao anatin’ny fikambanana Avotra, any amin’ny fokontany Avaradrano. Novatsian’ny CI masomboly vary an-drano manara-penitra izy ireo, ka azo tsapain-tanana ny fiovana sy ny fitomboan’ny vokatra. « Masomboly vary 4 kilao no nafafiko, tafakatra 5 gony ny vokatra azoko », hoy Raholdina.
Olana diavin’ny tantsaha any Avaradrano ny tsy fahampian’ny rano amin’izao fotoan’ny maintany izao. Manana loharano izy ireo, saingy tsy ampy ny rano. Vahaolana noraisin’izy ireo ny fifandindimbiasan’ny famoahana ny rano. Nilaza ny filohan’ny fikambanana Avotra, Raberavo Valentin, fa mahatratra 200 ha ny lemaka any amin’izy ireo. Namatsy masomboly ho an’ny vary sy ny voly avotra (katsaka, tsaramaso, legioma, sns) miampy fitaovana azy ireo ny CI.

Njaka A.

Partager sur: