Tsy nahatsiaro tena ny mpandeha iray, 70 taona, tao anatin’ny taksiborosy nivadika, teo avaratr’Ilempona, Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Niala avy any Antsirabe io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo, araka ny angom-baovao. Tra-doza tampoka anefa tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nivadika ny fiara sady nivoaka ny lalana. Nifamonjena ireo mpandeha tao anatiny. Navoaka tamin’ny varavaram-pitaratry ny fiara avokoa ny ankamaroany, noho ny fahasarotana tamin’ny fivadihan’ny fiara. Lehilahy iray tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nandritra ny loza. Naratra ny mpandeha hafa saingy tsy nisy natahorana ny fahasalaman’izy ireo. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireo naratra. Misokatra ny fanadihadiana lalina momba ny nahatonga ity tranga ity. Marihina, matetika mahatonga ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily.
Tsiferana R.




