Toekarena manga : hikatona ny 1 desambra ny jono makamba

Mikatona manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2024 misasakalina ka hatramin’ny 28 febroary 2025 misasakalina ny jono makamba na tsitsika manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Noho izany, antsoina hanambara ireo tahiry ananany manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 9 desambra, eny amin’ny biraom-paritry ny jono sy ny toekarena manga akaiky azy, ireo orinasa mpanjono, mpanangom-bokatra sy toeram-pivarotana hazandrano. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo mpiantoka.
Tsiahivina fa nampidi-bola 7,455 miliara Ar tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo sambo mpanjono makamba aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024. Fantatra fa miisa 39 ireo sambo nahazo alalana amin’ny fitondram-panjakana hanjono izany, izay nahazoana haba hatrany amin’ny 6,055 miliara Ar. Izany hoe, eo anelanelan’ny 18 tapitrisa ka hatramin’ny 238 tapitrisa Ar ny haba aloa isaky ny sambo.
Marihina fa tafakatra 1,400 miliara Ar ny haba azo tamin’ny fanondranana ny vokatra izay niovaova isaky ny orinasa nandray ny vokatra.

Henintsoa Hani

Partager sur: