Tetikasa GCF-CI : famerenana maitso ny tontolo any Alaotra

Voakasiky ny tetikasa ny GCF-CI ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ). Tanjona ny hamerenana ny tontolo ho maitso sy ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina.

Manohana ny Tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy ny Tahirim­bola maitso maneran-tany (GCF). Miara-mitantana azy ny Conservation international (CI) sy ny Birao BNCCREDD+* avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Anisan’ ny misitraka ny tetikasa ny fikambanam-behivavy Miray sy ny Mirindra any amin’ny fo­kontany Anosinadibo, distrika Manakambahiny Atsina­nana, faritra Alaotra Mangoro. Mpi­kambana ao anatin’ny Miray, Rtoa Randrianarison Ratsa­razaka, niofana amin’ny famokarana zanakazo. Novatsian’ ny tetikasa fitaovam-piasana sy kojakoja (siny fanondra­hana, siny, angady, lapela, tady, râteaux, sécateur, …) koa izy ireo, hikarakarana ny tanin-janakazo. Mahatratra 6 000 ny zanakazo hazoala efa novokarina, ambolen’ny mpikambana, toy ny baobab gasy, ny Mandresy, ny hasina, ny hazombato, ny rotra, sns. Nilaza Ratsarazaka fa « mamboly ny zanakazo izahay ny volana marsa sy avrily ary afindra ny volana desambra sy janoary. Tsaramaso, voanjo, katsaka no ambolena rehefa fahavaratra ary tsaramaso sy legioma amin’ny ririnina ». Am­piasaina ny ady gasy, ravin­kazo afangaro hiarovana amin’ ny bibikely ho an’ny voly avotra (laisoa, ovy, legioma, …) sy ny voly maharitra, toy ny voankazo sy ny kafe.
Miisa 12 000 ny zanakazo vitan’ny fikambanana Mirindra, ahitana mpikambana 123. Efa voavoly ny 3 000 ary miandry firotsahan’ny orana ny ambiny. Hazoala sy hazo fihinamboa no vokarin’izy ireo. Ni­laza Rtoa Rasoanomenjana­hary Hanitriniaina, fa hamokatra zanakazo mampidi-bola, toy ny kafe ihany koa izy ireo. Niray feo i Madama Monique sy Rasoambola Julienne fa « Tombontsoa azonay ny fisian’ ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpikambana, sady ma­nangana tontolo maitso ho lovain-jafy. Afaka manana ny velon-tenany izahay vehivavy ».
*BNCCREDD+ : Birao nasionaly ho an’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampihenana ny entona avy amin’ny fandripahana sy ny fahasimban’ny ala.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: