Mitazam-potsiny

 

Sanatrian’ny vava hoe tsy misy zavatra mandeha akory eto amin’ny firenena ka miiba hatrany ny fama­kafakana. Maro ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana, indrindra ny lafiny foto-drafitrasa. Singa iray mariky ny fampandrosoana nilokalokana ireny. Ilaina ihany koa mba ho fampirisihana ny Malagasy ho mpanangana fa tsy mpandrava. Hambolena ny toe-tsaina manorina sy mamorona.
Mahakasika izay fandraisana andraikitra izay no horesahina anio. Tsy maintsy vakiana bantsilana ny firaviravizan-tanana ataon’ny nomem-pahefana mahakasika ity fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra ity. Efa ela ny Renivohitra no voalaza fa tanàn-dehibe voretra indrinadra maneran-tany. Tao anatin’ny volana vitsy, mbola nitombo avo fito heny ny fanapoizinan’ny rivotra. Tena mahame­natra.
Ny zava-doza, marary ny mponina. Lasibatra ny zaza madinika. Sahirana ny ray aman-dreny. Mijaly ny mpive­zivezy izay hery velona manodina ny toekarena eto Antananarivo. Manoloana izany, toa mitazam-potsiny ny manam-pahefana. Tsy mbola nisy tomponandraikitra
nijoro mba manolotra vahaolana na fara faharatsiny manabe ny mponina amin’izay azo ato manoloana ny zava-misy.
Manana departemanta momba manokana ny fana­diovana ao anaty governemanta, misy minisiteran’ny Fahasalamana, mbola eo ihany koa ny minisiteran’ny Mponina, toraka izany ny minisiteran’ny Serasera. Inona anefa no ataon’izy ireny, mahakasika ity voina goavana mianjady amin’ny mponina ity ? Tsy ny rivodoza sy ranobe, na ny haintany sy ny kere ihany ny loza mihatra, ankehitriny. Tena fositra mampikatso ny fampandrosoana io loto eto an-dRenivohitra io. Ny vatana tomady sy saina milamina no ahafahana misehatra malalaka.
Sintony ihany ny lakolosy fanairana mba tsy ho tara loatra ny fanapahan-kevitra !

r.r

Partager sur: