Nadika amin’ny teny soedoa ny sanganasan-dRabearivelo. Ilay boky malaza “Presque-Songes”, izay nivoaka tamin’ny teny frantsay, tany amin’ny taona 1934 no nadikan’i Eric Luth, ka navoakan’ny Editions Vendels any Suède. Anisan’ny boky nampamiratra an-dRabearivelo teo amin’ny sehatry ny literatiora iraisam-pirenena izy ity, ary mbola mitohy hatramin’izao.
Ny maha zavakanto ny « Jeux video » sy ny asa manodidina izany indray no hampahafantarina ny mpanaraka ny “Ensemble le RDV”, anio, eny amin’ny CGM Analakely. Ity hetsika ity izay iarahana amin’i Poety Rebely entina hampahafantarana ireo asa mifandraika amin’ny zavakanto.
“It Starts Within” notontosain’i Vatsisoa Sonia sy “My Own” an’i Benga Mavika no nojeren’ireo mpankafy sarimihetsiky ny CGM Analakely, omaly. Ankoatra ny fijerena ny horonantsary, nisy ihany koa ny tafa sy fifampizarana tamin’ireo nanatontosa azy. Ireto mpanatontosa ireto izay mbola tanora sy manana ny hoaviny eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika.
Hiverina an-tsehatra ny tarika Green. Eny
amin’ny Soa Feeling Behintsy Ambohimangakely izy ireo, ny sabotsy 30 novambra izao, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro. Ho famaliana ny fangatahn’ireo mpankafy an-dry Jacquot sy ny tariny ity, indrindra ireo sahirana amin’ny fodiana alina. Rock ranoiray toy ny mahazatra hatramin’izany ihany kosa ny gadona.