Isika samy isika ihany

 

Hampiantrano fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena lehibe miisa roa i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Taratry ny firoboroboan’ny tontolo iray, hany sehatra mampiray ny vahoaka malagasy, ny fa­natanjahantena. Tsy mikely soroka ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fanatanjahantena amin’ny fitadiavana ny hirika hampivelatra izany.
Mba misy ihany ny zavatra tsara sy mandeha ka tsy maintsy voizina. Mila onja miabo ilay firenena sy ny vahoaka malagasy. Takon’ilay onja miiba faobe ny zava-drehetra eto amin’ny firenena, hany ka na misy aza ny ezaka dia manjary latsa-danja hatrany izany. Mila asongadina izay mitondra ny soa sy ny tsara ho an’ny besinimaro.
Zary kolontsaina ny fanakianana tsy ahitam-bokany ataon’ny sasany. Isika samy isika ihany no mifampisintona midina. Vao misy miezaka ny mandeha mahitsy sy hanao fanadiovana dia avy ny sasany amin’ny angady sy ny harona. Homboy, homboy! Vakiana be ny zatra ny lalan-dririnina sy ny mpanao tantely afa-drakotra ny tombontsoa tokony ho an’ny sasany.
Vanim-potoana tena ilana olona sahy mijoro, manarina ny tarazo navelan’ny mpangalatra sy mpandonto ny fitondrana izao. Ilaina ny fiaraha-mientana, ialana amin’ny kolontsaina tsy matimanota. Vinan’ny filohan’ny Repoblika rahateo ny tsy maintsy amongorana ifotony ny halatra sy ny kolikoly. Tsy maintsy mila olona sahy sy tsy matahotra kiteritery sy ramatahoran’ny Mafia izany.
Taon-trano tsy efan’ny irery anefa izany, fa mila ny olon-drehetra miara-mientana. Tsy tokony ho voarebirebin’ireo olom-bitsy sy tendan-kanina ka mihinana ny tsy an’ny tena. Mahavariana manko fa mbola misy ihany vondron’olona sahy mijoro, manohitra ny fanadiovana izay ataon’ny mahasahy, amin’izao toe-java-misy iainan’ny Malagasy izao.

r.r

Partager sur: