Malaza indray ny « pack » : Mihamaivana ny fianarana zavakanto

Manaraka ny toetr’andro hono! Iharan’izany ihany koa ny fampianarana zavakanto. Nilaozana ny « ampitain-davitra » fa nirosoana tsikelikely indray ny fividianana « pack ». Misy ny milaza fa ampy hampivoatra ny fahaizana ny fampiasana azy io. Ao koa ny mitsipaka izany.

Fahiny, fony mbola tsy nisy ny sekoly ahitana rindrina efatra. Ny fanarahana sy fakana tahaka ny ataon’ireo lehibe (zoky, ray aman-dreny, raibe, renibe…) no nahaizana zavatra maro. Anisan’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao, sns. Rehefa tonga teto Madagasikara ny vahiny, nanomboka nampianatra mihira, mandihy, sns, teny amin’ny toerana voafaritra mazava tsara izy ireo. Voafantina ihany, ohatra, ireo afaka nianatra mozika tao Anatirova. Ireo nalefa tany ivelany, hianatra hihira, hitsoka mozika… Niova tsikelikely izany… Repoblika faharoa, nanomboka nomena lanja tsikelikely tany an-tsekoly ny fianarana zavakanto sy kolontsaina. Natsangana ny Foibem-pirenena fampianarana mozika… Taona 2000, nitombo isa ireo sekoly nisafidy hampiditra ny zavakanto sy ny asa tanana ho taranja ianarana ao aminy…
Ankehitriny, tsy ny mpianatra, hono, no mitady
fianarana fa…
… Ny fianarana no manatona ny mpianatra. Nampitain-davitra tamin’ny alalan’ireo fitaovan-tserasera samihafa ny fanazavana sy ny fanazarana isan-karazany. Niaka-bidy hatrany ny saran’ny fahafahana mijery sy ny manaraka ireny fampianarana ireny. Nahazo vahana indray ny «pack». Izany hoe, atao ao anaty «clé USB» ny lesona sy fampiharana ka iny no hamidy. 5 000Ar (raha mitondra Clé USB ny mpianatra) ka hatramin’ny 70 000Ar eo ho eo ny lesona miampy fanazarana.
Tranga anisan’ny nampidina sy nanamaivana ny sanda sy ny hasina ary ny lentan’ny zavakanto. Na, samy mozika izao aza no ampianarina, mifanelanelana be ny vidin’ny «pack». Ankoatra io, tsy mahasolo mpampianatra ny «pack», satria, tsy afa-manazava ankoatra izay voarakitra ao anatin’ilay «clé USB» ny «pack». Fahatelo, mibahan-toerana sy ankarihary tafahoatra fa tontolon’ny varotra no nahamaika nanaovana ilay «pack» fa tsy ny hampitombo fahalalana ho an’izay mampiasa azy. Natao hanampy ny nomena tany an-tsekoly ny «pack», fa tsy fakana fototra!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: