Hifamotoana eny amin’ny Le 411 Ambodifasina, ny sabotsy 7 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny tarika Ny Voamaintilany sy i Doda, hanatanteraka ny seho «Kalokalo tsy tontan’ny ela». Hampiavaka ity seho ity ny fihirana ny sanganasan’i Therack Ramamonjisoa, anisan’ireo mpamoron-kira kalon’ny fahiny manana ny lazany. Ho heno eny an-toerana ny «Ny eo akaikinao sombinaiko», “Ndrematoa ô, izany foko lasanao”, ny «Mivolombatosoa», sns. Doda, sady ao anatin’ny tarika Ny Voamaintilany no manana ireo sanganasany sy ireo hira kaloiny manokana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly, tahaka ny «Tositosy hantahanta», «Eto ry Lala». «Ho voaravaky ny kalokalo tsy tontan’ny ela ity seho ity, satria, samy hahazo vahana ao na ny hiran’ny omaly na ny kalon’ny fahiny», hoy i Ndrema, izay hanentana eny an-tsehatra.
Marihina fa Ny Voamaintilany no anisan’ny taninketsa nitsimohana talenta maro, eo amin’ny tontolon’ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny. Ity tarika ity rahateo no anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny fampivelarana ireo karazan-kira ireo.
HaRy Razafindrakoto