Ankoatra ny kalitao teknika. Anisan’ny mampiavaka ity horonantsary ity ny vontoatiny sy ny fahaiza-manao amin’ny fanatontosana horonantsary.
Lasan’i Lova Nantenaina ny amboaran’ny “Vladislav Mikoshi Victory Award”» nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena «Won Together de Sotchi 2024» natao tany Rosia, ny 19 hatramin’ny 23 novambra teo. Omaly kosa no nampahafantarina ny amin’ny fandrombahany ity amboara ity. Tamin’ny alalan’ilay horonantsarimihetsika “Sitabaomba, chez les Zébus francophones” no nahazoany ny amboara. Tsy vao voalohany ity horonantsary malagasy ity no nivoaka mpandresy tamina fifaninanana iraisam-pirenena sahala amin’izao. Efa nisy ny fandraisan’anjara tamin’ny “Leipziger Ring” sy ny “Festival du film francophone Les Œillade», ny taona 2023.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Lova Nantenaina sy ny horonantsary “Sitabaomba, chez les Zébus francophones”. Raha tsiahivina, tantarana tantsaha iharan’ny tsindry ataona teratany vahiny amin’ny taniny no resahiny ao anaty horonantsary. I Ly no mpandray anjara fototry ny tantara. Bodoin’ny vahiny ny taniny izay nambolena miantoka ny fivelomany hatramin’izay. Nisy ny adisisika nataon’ireo tantsaha tao anatin’izany. Tamin’ny alalan’ny fomba hafa mihitsy anefa no nanaovan’izy ireo izany satria tamin’ny alalan’ny hatsikana no nanentanan’izy ireo ny tantsaha namany sy nanairan’izy ireo ny tomponandraikitra mahakasika izany taniny izany.
Misy ny fandefasana ity horonantsary ity amin’izao, eny amin’ny Cinepax Ambodivona. Ankoatra ny fampialana voly, tanjona ao anatin’ny hetsika ny fampahatongavan-tsaina ny olona. Anisan’ny mampiavaka ny “Sitabaomba, chez les Zébus Francophones” ny vontoatiny, izay nandresy lahatra ny mpahay horonantsary vahiny maro.
Lin