«Mémoires et images». «Tadidy an-tsary», lohahevitry ny fampirantiana eny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, izay nisokatra omaly izy ity. Fampirantiana saripika miisa 38, maneho ny hakanton’ny tanàna avon’Antananarivo izany. Sary nalaina tany amin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-19 ireo, izany hoe, nanamarika ihany koa ny fanombohan’ny firoboroboan’ny saripika teto Madagasikara.
Nosafidian’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara manokana ny LMA Ampefiloha, satria anisan’ny tanjona ny fanairana ny sain’ny tanora handinika ny tantarany. Mifameno amin’ny taranja tantara sy jeografia ianaran’izy ireo rahateo ny fampirantiana, satria manamarika ny tantaram-pirenena izany.
Azo tarafina amin’ireo saripika aranty ao Ampefiloha ny fivoarana nisy teny amin’iny faritra ambony, manomboka eny Faravohitra ka hatreny amin’ny Rovan’Antananarivo iny. Sary maneho ireo trano efa nisy hatramin’ny fahagolantany, mandalo ny faha mpanajaka, fony zanatany ka hatramin’ny vanim-potoan’ny Repoblika voalohany izany. Mifampitohy amin’ilay fampirantiana “Ny tranon’ny velona”, izay mbola mitohy hatramin’izao eny amin’ny mozea Andohalo izy ity.
Maro ireo tantara tsy fantatra no avoitran’ireo sary, manampy betsaka ny fahalalana zarain’ny mpampianatra. Tafiditra anatin’ny ezaky ny sekoly LMA sy ireo mpampianatra tantara sy jeografia, amin’ny fikarohana fomba fampianarana mampitia sy mampanakaiky ireo mpianatra amin’ny tantaram-pirenena.
Zo ny Aina