Hifarana rahampitso ny «November numérique» eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba. Hetsika fanao isan-taona, hampiroboroboana ny teknolojia sy ny niomerika izy ity, karakarain’ny AFT manerana ny Nosy sy ny Yas Madagascar. Hahazo vahana sy tilina
amin’izany ny tanora. Tanjona ny hanosehana azy ireo ho tia karokaroka sy hanao asa famoronana amin’ny alalan’ny teknolojia sy ny niomerika. Hetsika maro no nomanin’ny AFT mandritra ny “Novembre numérique”, eo ny fifaninanana, fampirantiana, Jeux video ary Quizz.
“Magie numérique, créé, joue, imagine” no lohahevitry ny «Novembre numérique» amin’ity andiany ity. Efa mahazo vahana sy hain’ny Malagasy ny mikirakira ny teknolojia sy ny niomerika, indrindra ny tanora. Izany fahaizan’izy ireo izany no trandrahina sy velarina amin’ny alalan’ny hetsika. Tombony maro ny azo amin’ny fahafehezana azy io. Ankoatra ny fahaizana manokana sy asa miforona ho an’ny tanora, hitondra vokatsoa eo amin’ny lafiny toekarena ihany koa ny fahaizana mikirakira ny fivoaran’ny teknolojia sy ny niomerika eto Madagasikara.
Lin