Tena ilaina ny teknika voly rakotra amin’izao vanim-potoana maintany izao. Mampihatra azy efa nanomboka ny taona 2022, Radimisolo Maria, any Anosinadibo, kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambatondrazaka. Mpikambana ao anatin’ny fikambanam-behivavy Mirindra ny tenany. Anisan’ireo Tantsaha mpampiofana (PF) nahazo fiofanana tamin’ny Conservtion national, ao anatin’ny tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy, tohanan’ny Tahirimbola maitso maneran-tany (GCF). Manana vala tahaka izy, hanaovana voly mihodina (tsaramaso, voanjo, tsaramaso, sns) sy voly maharitra (voankazo manga, letisia, kafe,…). Nohazavainy fa hatao miendrika an-tanan-tohatra ny tanimboly. Manomana lavaka asiana ny zezi-pahitra sy tain’omby. Araraka ny zezika ary rakofana bozaka avy eo. Tombontsoa azo, tsy maina be ny tany fa voatazona ny hamandoana. «Vahaolana amin’ny fiovan’ny haintany sy fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ny voly rakotra», hoy ihany i Maria.
Hambolena mangahazo, tsaramaso ary voly mihodina hafa ny tanimboly nomaniny, miandry ny rotsakorana izao. Vao mainka miha lonaka ny nofontany ka mitombo sy tsara ny vokatra. Nomarihin’i Maria, fa nampiasa zezika simika sy fanafody simika izy ka nanimba ny tsiron’ny tany. Miova tanteraka izany, ankehitriny, satria na ny fanafody hamonoana ny bibikely aza dia ady gasy no ampiasainy.
Njaka A.