Mandini-tena sy mijery lavitra

Mikatona anio ny volana faha-11 amin’ny taona. Hiditra amin’ny faran’ny taona isika. Inona no mba vita? Inona no mbola miandry? Mankaiza ny lalan-kizorana? Santionan’ ny fanontaniana manitikitika ny aty fanahy izany. Indrindra ho an’ny isam-batan’olona manam-panahy, tsy resin’izay adim-piainana izay.
Vanim-potoana hametrahana fanamby vaovao izao, ankoatra ny fisaorana an’ilay mpahary amin’ny tombon’ andro mbola nomeny ny tsirairay avy. Herijika ahafahana mitondra ny anjara biriky ho fanatsaratsarana ny fisainan’ ny ankohonana, andaniny. Ny fiainam-pirenena ankilany.
Hiditra vanim-potoana manokana i Madagasikara, afaka 11 andro. Hiroso amin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Fifidianana ifotony, ain-dehibe ho an’ny tontolo politika. Hanova zavatra maro izay ho vokatra miseholany avy any amin’ny faritra. Na inona na inona fironana dia tafiditra amin’ny kajy politikan’ny antoko sy ny kandidà, ary ny mpanohana foana izany.
Na mpanohitra na mpitondra dia  samy manana ny lamina sy ny tanjony… Iaraha-mahalala rahateo fa fototry ny fifidianana iray goavana ny fametrahana ireo izay ho loholona.  Izay mahazo maro anisa eo, afaka miady sy mametraka tsara ny heriny. Mila fandinihana lalina. Mila mahay mitondra ny volana desambra izay hitsidika raham­pitso. Mila mijery lavitra!

r.r

Partager sur: