Mandeha ny asa fanamboarana ny ampahany voalohany ny arabe migodana Antananarivo-Toamasina. Vita ihany koa ny 30% ny arabe « voie rapide », any Toamasina.
Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ ny arabe migodana miainga eto Antananarivo hatrany Anjozorobe. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, tany Toamasina, omaly, fa efa vita ny fanadihadiana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana, efa misy ny fahazoan-dalana (EIE) matoa miroso ny asa ataon’ny orinasa egyptiana.
Nasiany teny ny mahakasika ny ampahan-dalana faharoa. Diso tanteraka ny vaovao inian’ny sasany aely any amin’ ny fampahalalam-baovao vahiny any ivelany ireny, momba ny soritry ny lalana. Eo am-pandinihana lalina isika izao ary vinavinaina hivoaka amin’ ny marsa 2025 ho avy izao ny ho soritry ny lalana tena izy, izay hiarahana amin’ny mpiantsehatra samihafa.
Nohamafisin’ny minisitra Rafidison Richard, fa tsy ho voakasiky ny arabe migodana ny « tena atiala » (noyau dur) amin’ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ). Efa atao ny ezaka rehetra ao anatin’ny fanadihadiana, atao laharam-pahamehana ny hampihenana farak’izay kely ny fiantraikan’ny lalana amin’ ny lafiny tontolo iainana.
Ho vita amin’ny 2025 ny « voie rapide »
Manampy ireo, nijery ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) any Toamasina. Lalana mirefy 10 km, miainga any amin’ny seranan-tsambo mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faha-2, sady hifandray amin’ny arabe migodana ihany koa. Maherin’ny 30% ny asa efa vita. Manodidina ny
3 km ny vatokely atao sosona fototra (couche de fondation) nararaka. Efa hiroso amin’ny fandrakofana godirao, ankehitriny, ny orinasa Sinohydro. Ampiasaina ny teknolojia mifanaraka amin’ny lalana miaro amin’ny rivodoza, satria manaraka ny sisin-dranomasina rahateo ity lalana ity. Fantatra fa ho vitaina hatramin’ny faran’ny taona 2025 ity lalana ity ary ho azo ampiasaina amin’ ny tapatapaky ny taona 2026.
Njaka Andriantefiarinesy