Fiaraha-miasa Sinoa – Madagasikara : famokarana holatra aondrana any ivelany

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, omaly, ny delegasiona avy amin’ny « Conference consultative politique du peuple chinois » (CCPPC). Notarihin’ny masoivohon’i Sina eto Mada­gasikara, Ji Ping izany, nen­tina nanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny masoivoho sinoa, fa « mitady ny fomba tsotra sy maharitra hanohanana ny tantsaha mala­gasy i Sina ». Santionany amin’izany ny fizaran’ny sinoa amin’ny fambolena sy fanodinana ny holatra, izay vokatra mora ambolena sady azo haondrana any ivelany.
Mahakasika ny fiompiana, manana karazana ombivavy be ronono, tsara kalitao i Sina. Eo koa ny orinasa vaventy afaka manodina izany ho vokatra samihafa. Itovizana ny tanjon’ny roa tonta, mifantoka amin’ny fampivoarana ny fa­mokarana ny vokatra ara-pambolena sy fiompiana sady azo ahodina. Nomarihin’ny minisitra Hajarison François, fa « iaraha-mamolavola ny hisian’ny ho avy mamiratra ho an’ny mpamboly sy ny Mala­gasy mpiompy ».
Tsiahivina fa anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ ny fampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny vary, i Sina, amin’ny alalan’ny famokarana sy ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Tanjona ny hampiakarana ny voka-bary entina ahavitan-tena ara-tsakafo.

Njaka A.

Partager sur: