INDRAY MIJERY

Vita tamin’ity herinandro ity ny fihaonambe ara-tsiantifika momba ny fikojakojana ireo fitaovana ara-pitsaboana. Antoky ny fahombiazan’ny fitsaboana sy ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka ny fahaizana mikojakoja ireo fitaovana eny anivon’ny hopitaly. Fanoitra goavana ho an’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny rafi-pahasalamana izany.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny kerimesy ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina ho fanamarihana ny faha-66 taonan’­ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloa­lindahy Malagasy. Hitohy hatramin’ny 20 jona izao ny hetsika. ‎ Mandray anjara amin’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ahafahan’ny vahoaka mahafantatra ireo asa vita, tetikasa fampandrosoana ho tombontsoan’ny mponin’Antananarivo.

Ho fikoloana ny endrik’Antananarivo, nohetezana ny hazo teny amin’ny axe Androndra – Anka­dimbahoaka (Eureka). Tanjona ny fisorohana ny loza ateraky ny sampana mety hianjera, fanadiovana ireo manakona tariby mitondra herinaratra, fa indrindra ho fanatsarana ny endriky ny tanàna.

Partager sur: