Slam malagasy : Hanomboka hivelatra amin’ ny teny anglisy

Mitaiza sy manabe ny “Slam poèsie” amin’ny maha zavakanto azy. Misy, araka izany, ny fivelarana amin’ny teny anglisy mba hahafahan’ny mpiangaly azy mivelatra sy manaraka ny zava-misy ankehitriny.

Miditra amin’ny andiany faha-15 ny “Slam na­tio­nal” amin’ity taona ity. Ankoatra ny fahatongavan’ i Marc Kenny Smith. Anisan’ny hampiavaka ity andiany ity ihany koa ny fisokafan’ny Slam malagasy amin’ny fiteny anglisy. Tao anatin’izay andiany 14 izay dia tamin’ny fiteny frantsay avokoa no niantsan’ireo mpiangaly Slam ny lahatsorany, ankoatra ny amin’ny teny Malagasy. Etsy ankilan’izay, ireo fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny teny frantsay ihany koa ny andraisan’i Madagasikara anjara. Araka ny nambaran-dRandriambola Steve avy amin’ny Madaga­slam, hanomboka hiditra tsikelikely amin’ny fanaovana “Slam poèsie” amin’ny teny anglisy ny eto Madagasikara ary hisy ny fifaninanana mahakasika izany amin’ny andiany faha-16.
Efa ahitana mpiangaly “Slam poèsie” manao izany amin’ny teny anglisy eto Madagasikara saingy mbola vitsy. Fanararaotra lehibe ho azy ireo ny fandalovan’i Marc Kenny Smith, izay namorona ny “Mouvement Slam poèsie”, eto amintsika. Hisy ny seho an-tsehatra ho ataony amin’ny teny anglisy mandritra ny fandalovany eto amintsika. Eo ihany koa ny fifampizarana sy fizarana traikefa sy fahaiza-manao ataon’ity andrarezina ity.

Fiaraha-miasa amin’i Etazonia
Manan-talenta amin’ny fa­na­ovana “Slam poèsie” ny Malagasy. Miroborobo sy manaraka ny zava-misy ankehitriny ihany koa izany taranja izany. Mampivelatra bebe kokoa ny tanora ny fanaovana izany amin’ny teny anglisy. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i Etazonia amin’ ny fanatanterahana ny tetikasa. Anisan’izany ny fikarakarana seho amin’ny teny anglisy. Tanjona ny fampifandraisana ara-kolontsaina eo amin’ i Madagasikara sy Etazonia. Eo ihany koa ny fampidirana ny teny anglisy ao anatin’ny Slam malagasy.

Lin

Partager sur: