Fanomezan-danja ny Bagasy sy ny kalon’ Imerina. Tontosa ny Sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ny fampisehoana niarahan’ny tarika Zandry gasy sy ny M’iray kalo. « Kalo gasy, iray fitempo », ny lohateny nampitondraina ny seho. Novoizina sy nomena sehatra tamin’izany, ny vazo Bagasy sy ny kalon’ny fahiny. “Tianay ny hamerina tsikelikely izany satria ahitana fitaizana sy anatra maro ao anatin’io gadona io”, hoy ny avy amin’ny tarika zandry gasy.
Fampisehoana hatsikana. Niaka-tsehatra tetsy amin’ny Bamboo Lodge Antsahavola ireo mpisehatra hatsikana dimy lahy, ny sabotsy lasa teo. Nahitana an’i Julio, Mandresy, Toavina, Raytra ary Lanja ireo mpandray anjara. Nifandimby nandray anjara sy nanome fahafaham-po ary nampiala voly ny mpankafy izy rehetra ireo tamin’izany. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ny fampisehoana niarahany tamin’ny mpankafy.
Ampirantiana etsy anivon’ny Lycée moderina Ampefiloha ireo sary an’ny mozean’ny saripika Anjohy. Mahatratra 38 ireo sary aranty eny an-toerana, izay mampiseho ny faritra sy tantaran’ny faritra avo eto Antananarivo. Nisongadina amin’izany ihany koa ireo saripika niseho tamin’ny taonjato faha-8 teto an-toerana. Tanjona ny hampahafantarana ny tantara nisy teto amin’ny Nosy.