Seha-kanto maro no hozongozonin’ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao. Tsy afa-bela ny saripika. Efa mahazo vahana ny fampiasana ny «intelligence artificielle» na IA, izay mampitolagaga ny zava-bita aminy ankehitriny. Nisy ny ady hevitra mahakasika izay ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny AFT Andavamamba. Tafiditra anatin’ny hetsika «Sar’nao», namaranana ihany koa ny «Novembre numérique».
Nahaliana ny mpanatrika ny fanazavan’ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny saripika, toa an-dry Masy Andriantsoa (Ymagoo), Julie Bonzon, Toky Randriambololonirina ary i Fidisoa Ramanahadray. Andaniny, mitondra fanavaozana sy fanatsarana betsaka ho an’ny saripikany fampiasana ny IA. Samy nanindry izay avokoa ny mpandray anjara tamin’ny adihevitra. Mivelatra bebe kokoa ny fahafahana milalao ny sary, ary tena mahavoaka kanto tsy heverina mihitsy ireo mpampiasa azy. Ankilany kosa, mahavelona ahiahy ny mpikirakira sari-pika ny mahakasika ny aingam-panahy, ny fitrandrahana ny tena talenta, ary ny fiarovana ny zon’ny tompon-tsary. Zary olana goavana maneran-tany rahateo izany, ankehitriny.
Ankoatra ny ady hevitra, nisy koa ny vahaolana naroson’ireo matihanina: fitaovana ka tazomina amin’ny maha fitaovana enti-manatsara azy izay ny IA. Tsy avela hanimba ny talenta ao anatin’ny mpaka sary tsirairay, ka hanaloka ny aingam-panahiny izany.
Zo ny Aina