Fampandrosoana : Tafatsangana ny vovonana PIE

Misokatra ho an’ny rehetra ny vovonana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny angovo na « Plateforme des investissements en énergie » (PIE). Hamaly mivantana ny politikan’ny angovo eto Madagasikara izany. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD), izay mikendry manokana ny fisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka sy maharitra ary amin’ny vidiny mirary, ity vovonana ity. Hampifandray mivantana ireo mpampiasa vola sy ireo manana tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo ny PIE. Noho izany, hanafaingana ny fampiasam-bola sy hampiroborobo ny fampiasana ny angozo azo havaozina ary hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny tetikasa. Marihina fa vita sonia ny taona 2017 ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny GIZ. Tamin’ny alalan’ny fampiasam-bola hampiroboroboana ny angovo azo havaozina no vontoatin’izany. Voarakotra ao anatin’izany ireo mpisehatra samihafa sy ny « Guide Invest in Energy ». Miara-miombon’antoka ao antin’ny PIE ny GIZ Madagascar-PERER, ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny Ader, Ore ary ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: