Voafidy tao anatin’ny sokajy « tsara kalitao sy zava-baovao » i Madagasikara, nandritra ny hetsika ara-pizahantany iraisam-pirenena, « Salon TT Warsaw 2024 ». Nifarana ny 1 desambra teo ny hetsika, natao tany Varsovia, renivohitr’i Pologne, andiany faha-30. Anisan’ny singa nahazoana an’io fankasitrahana io ny ezak’i Madagasikara hisarihana ny mpizahatany ho avy aty Madagasikara, nataon’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM). Ao anatin’izany ny fanamafisana sy ny fampivelarana ny fampahafantarana an’i Madagasikara ny toerana azo tsidihina, ny lanjan’ny zavaboahary ananan’ny Nosy.
Hotohizan’ny ONTM ny ezaka, hanomezana lanja sy tombondahiny manokana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fa firenena mila tsidihina, mila atao laharam-pahamehana ny mankaty Madagasikara. Satria, manana ny mampiavaka azy izy, sady manome tolotra sahaza ny tsirairay. Anisan’ny fomba hanatanterahina izany ny fampiasana ny teknolojia niomerika, hanamorana ny fampahafantarana, ny fahazoan’ny tsirairay ny antontam-baovao, ny filan’ny mpanjifa liana ho avy aty Madagasikara, amin’ny lafiny fizahantany, na koa fandraharahana.
Njaka A.