Mbola ambany ny tahan’ny olona manana fahasembanana tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy miasa amina orinasa eto Madagasikara.
Sakana mahatonga izany ny toe-tsain’ny fiarahamonina manilika ireo olona sembana ka manakana azy hiaina toy ny olon-drehetra. Eo koa ny olana amin’ny fandresen-dahatra ny mpampiasa hanehoana fa mahavita ny asa ilay olona. Tafiditra ao anatin’izay ny tsy fisian’ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fahasembanana ananany, sakana ho an’ny fivoarany sy ny fandrosoany. Noho izany, mazàna miasa tena ireo olona manana fahasembanana. Ho an’ny Réseau Zara, manodidina ny 1000 eo ireo mpikambana manerana ny Nosy miasa amina orinasa. « Asa iseharan’ireo jamba manokana ny tontolon’ny informatika sy ny asa birao raha afaka misehatra amin’ny zavatra hafa kosa ireo sembana hafa », hoy ny filohan’ny Réseau Zara, Ratobomiarana Haingo, omaly, nandritra ny 1er Forum de diversité et inclusion niarahany tamin’ny Yas Madagascar, teny amin’ny Galaxy Andraharo.
Fahasamihafana
« Mitondra zava-baovao sy manome lanja manokana ny fahasamihafana eo amin’ ny sehatry ny asa sy ny fidiran’ny vehivavy miasa eo amin’ ny orinasam-pifandraisandavitra ny Yas Madagascar », hoy ny tale misahana ny maha olona ao amin’ny Yas Madagascar, Rajaofera Gaël. Vaindohan-draharaha ny fampitoviana ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny asa ho an’ny fampandrosoana izay hiarahany miasa amin’ ny Humanité inclusion sy ny Réseau Zara. Fotoana iray iadiana amin’ny fanavakavahana ihany koa ny andro toy izao.
Henintsoa Hani