Fadin-tseranana : Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao

Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakiran’ny sampandraharahan’ny ladoany ny antontam-baovao. Ho voasoroka ny hosoka sy ny kolikoly ary ho haingana ny fikarakarana ny mpanjifa.

Nampahafantarina, omaly, ny fampiasan’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy ny fitaovana niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fitanta­nana foiben’ny ladoany ma­lagasy (DGD) sy ny sampandraharaha koreana tatsimo, ny Korean Customs service (KCS). Miisa telo ny voarakitry ny tetikasa. Voalohany, ny fametrahana ny ERA (En­chanced Risk Assessement), rafi-pitantanana ny ambana, ka ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), hanamafisana ny fisorohana ny hosoka sady hampihenana ny fotoana hikirakirana ny antontam-baovao mahakasika ny entan’ny mpanjifa. Faharoa, ny Data Warehouse, fanan­gonana ny antontam-baovao sy manadihady azy, ahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana sy mazava. Fahatelo, ny fitantanana ny mpiasa sy ny andraikitry ny tsirairay.
Tanjona, ny hanatsarana ny fahombiazan’ny fitantanana ny volam-panjakana ao amin’ny sampandraharan’ny haban-tseranana, sady ao anatin’ny mangarahara. Hi­hena ny saran’ny famoahana entana any amin’ny ladoany sy hampavitrika ny mpiasa. Ho azo antoka ny vola miditra avy amin’ny haban-tseranana, afaka mifaninana amin’ny hafa sy hiteraka fitomboan-karen’ny firenena. Tombon­tsoa lehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny la­finy fivoaran’ny teknolojia niomerika eo amin’i Mada­gasikara sy Korea Atsimo.

Ao anatin’ny tetikasa miisa 31
Nanomboka ny taona 2019 ny fiaraha-miasa, tafiditra ao anatin’ireo tetikasam-panavaozana miisa 31 napetraky ny Fitantanana foibe ny ladoany malagasy. Hatao amin’ny jolay 2026 ny lafiny fikojakojana ny fitaovana napetraka. Nitarika ny fitokanana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny masoivoho koreana tatsimo eto amintsika, ny tale jeneralin’ny ladoany, Zafivanona Lainkana, ny tale jeneralin’ny ladoany ko­reana tatsimo, ny tale jene­ralin’ny sampandraharaha Korean Customs Service, sy olona manan-kaja maro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: