Tena natao ihany ny tsy hiteny ny mahakasika ity fidorohana zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra ity. Miverina mahazo vahana izany, ankehitriny. Ny tena mampalahelo, toa mipetraka hatrany ilay kolontsaina tsimatimanota. Iza no tsy mahalala ny sakeli-tanàna ivoahan’ny “môly” sy ny “rôrô”? Iza amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana na mpanao politika eto amin’ny tanàna no tsy mahay hoe ranona na ranona?
Indrisy, ny madinika efa koakan’ny fiainana no mbola kikisan’ny fidorohana. Tsy mahagaga raha mirongatra izaitsizy koa ny tsy fandriampahalemana sy ny fanolanana. Misondro-bidy tahaka ny filana andavanandro rahateo ny “baomba” sy ny “karaoty” na ilay fonosana kely dia kely ireny.
Ankoatra izany, mahakivy sy mahalasa saina ny mijery ireo zatovo mba tsy hilazana hoe zaza mbola mianatra amin’ny ambaratonga ambany efa “dizin’ny maina”. Tsy ferana mety efa mitsindrona na mitroka vovoka heroïne na cocaïne. Nandalo dia niserana ny hetsika manokana, taona vitsy lasa izay. Tsy misy fitohizan’ny asa fa samy milibaliba na ny mpamongady, ny mpijirika, ny mpidoroka.
Efa ho herintaona aty aorian’ny nahalany indray ny filohan’ny Repoblika sy nilazany fa hisy ny sekreteram-panjakana hiahy manokana ny tanora sy hiady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, tsy mbola tafapetraka izany. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao anefa tena mila hamehana. Mila fandraisana andraikitra goavana. Efa halohalika ny ranombary satria iaraha-mahalala fa mampikatso ny toekarena sy ny fampandrosoana ny fahamaroan’ny mpidoroka. I Madagasikara anefa tsy maintsy mandroso!
Taitairina ihany koa ny ray aman-dreny mba hanara-maso ny ankizy. Tena miandahy miambavy manko ny fandraisana zava-mahadomelina. Manararaotra toa banga mihomehy alina rahateo ny mpivarotra azy ireny.
r.r