Tanterahina ny 7 desambra izao, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Ndao ilalao”. Hetsika karakarain’ny Alt’Istik Madagascar sy ny AFT hanasongadinana ny kilalao malagasy sy ny kilalao noforonina Malagasy. Kilalao, fitantarana angano sy tantara foronina ary seho an-tsehatra sy tafa iarahana amina mpanakanto no handravaka izany. Tanjona ny hamerenana indray ny hasina sy ny maha izy ny kilalao malagasy izay efa takon’ireo nentin’ny vahiny.
Hahazo tombony manokana indray ireo mpilalao sy mpankafy ny kilalao malagasy. Mandritra ny “Ndao ilalao” no ahitana fampahafantarana sy filalaovana ny kilalao “Kintana sy Herisoka”, izay noforonin’ ny Alt’Istik Madagascar. Eo ihany koa ny fianarana fanoron-telo sy fanoron-dimy ary fanoron-tsivy. Ny tapany hariva kosa no ahitana fitantarana angano “Rebirika sy Rainimbaraingy”. Eo ihany koa ny resadresaka iarahana amin’ny mpanoratra boky sy Rakoto Frah Junior. Seho an-tsehatra Kapo-tandroka sy Don-tandroka no entina hamaranana ny hetsika. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampisehoana eny an-toerana.
Lin