Mamelona ny kalon’ny fahiny. Tarika ny Ny Feon’Analamanga, mandia ny faha-10 taonany. Amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no hankalazan’izy ireo io vanim-potoana lehibe io. Zoma 27 desambra, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, ao amin’ ny Ivokolo Analakely (Gallérie 6 teo aloha). Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana tanora miray sehatra amin’ireo zoky manana traikefa matanjaka amina famoahana aingam-panahy. Eo koa ny fironana sy fanomezan-danja ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa, andrarezin’ny famoronana kalon’ny fahiny. Zavamaneno tsotra, tononkira mirakitra hevi-dalina, feon’ny mpihira mahatafita hafatra sy maharesy lahatra ny mpihaino.
Ho an’ity seho ho fanamarihana ny faha-10 taona ity, ankoatra ireo hira noforonin’i Naka Rabemanantsoa, hihira sanganasan’olon-kafa ny tarika Ny Feon’Analamanga. Marihina fa anisan’ireo tarika mpiangaly kalon’ny fahiny, mitana fatratra ilay « endrika » (feo, tononkira, fandrindrana…) namoronan’ny tompony ilay hira, ny Ny Feon’Analamanga.
HaRy Razafindrakoto