« Vibe Tropical ». Hivadika ho Lapan’ny mozika tropikaly ny Lapan’ny fanatanjahantena, anio. Hanomboka amin’ny 7 ora alina ny fampisehoana, izay hafanain’i L-Jo, Lion Hill, Basta Lion ary i Mr Sayda. Tena fampisehoana feno ny anjaran’ny tarika tsirairay. Haka endrika toeram-pandihizana ankalamanjana kosa ny eny amin’ny “esplanade”, izay hafanain’i Dj Looping, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Anjaran’i Toamasina indray no mandray ireo kintan’ny feo. Farakely sy i Mia andaniny ary i Rija Rama-nantoanina sy i Luk, ankilany, no hanafana ny fotoana ao amin’ ny Brasserie de la Gare Toamasina, anio manomboka amin’ ny 8 ora alina. Samy efa mpiray an-tsehatra izy ireto, saingy tsy matetika no tafaraka toy izao. Ankoatra ny sanganasan’ ny tsirairay, hamelona sy hamerina ireo hira ankafiziny sy be mpankafy ihany koa ireto mpanakanto ireto.
“Afterwork accoustique”, ao amin’ny Chez Babà Isoraka. Hitarika ny fotoana i Mbola Talenta, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Afaka mandray anjara mampiara-peo aminy izay manan-talenta amin’ireo mpiala voly. Vahiny manokana hitarika izany fampiaraham-peo izany i Michella, Voix D’or, izay anisan’ny manoritra ny tohin’ny lalany eo amin’ ny mozika ihany koa.
Mashmanjaka eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hanomboka amin’ny 8 ora alina ny seho izay hotontosain’ity mpanakanto efa zatra ny sehatra ity. Na efa anatin’ny laza aza mantsy, tsy manadino ny nipoirana sy ny nitondra ary nahazoany ny “Hazavana” voalohany i Mashmanjaka sy ireo namany. Anisan’ireo mpanakanto mivoy ny mozika miaina, izay mitondra loko vaovao izy.