Tanterahina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny Ceo Summit. Tanjon’ny mpikarakara ny famaritana ireo vina hanatsarana ny sehatry ny tsena sy ny fifandraisana ara-toekarena ary ny fifanakalozana ara-barotra eto anivon’ny ranomasimbe Indianina.
Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny fihaonana an-tampon’ny mpitantana orinasa. Nanomboka omaly ka haharitra roa andro, ny hetsika. « Tanjona ny hampivondrona iray ny hery sy ny tanjak’ireo mpisehatra ary ny mpiara-miombon’antoka isam-paritra hampiroboroboana ny fiaraha-mientana ka hanaovana ny ranomasimbe Indianina ho toerana feno fanambinana sy fampiraisana », hoy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana, tamin’ny lahateniny. Sampanan-dalana manamora ny fifanakalozana eto amin’ny faritra i Madagasikara. Manana akora sy olona ary toerana azo trandrahana tsara isika. Manana tombony ara-bola kosa ny nosy Maorisy raha varavarana idirana any Eoropa ny nosy La Réunion. Noho izany, ahafahana mametraka tsena iombonana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.
Vina iraisana
Vonona hanohana ny toekarena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny sehatra tsy miankina. Andrasana ao anatin’ity fihaonana ity ny tolo-kevitra entina any amin’ny fihaonamben’ny filoham-panjakana ho an’ny taona 2025. Tanjona ny hiaraha-mientan’ny indostria mba hampihena ny fanafaran’entana avy any ivelany sy hampalalaka ny fivezivezena, ny fifanakalozana mba hamaliana ny filàn’ny tsirairay. Resahina mandritra ny roa andro ireo fanamby ara-toekarena, tontolo iainana, teknolija ary ny sehatry ny indostria hanamafisana ireo fifanarahana ara-barotra ireo. Tsiahivina fa maherin’ny 300 ny mpandraharaha manerana ny faritra mandray anjara amin’ny hetsika, ahitana ireo tale jeneralina orinasa sy mpampiasa vola ary mpandraharaha avy amina firenena 12. Misy ny fifakalozan-kevitra iarahana amin’ireo matihanina avy eto an-toerana sy any ivelany.
Henintsoa Hani