Azo atao ny mandray vola avy any ivelany, amin’ny alalan’ny banky Sipem, miara-miasa amin’ny RIA sy ny Global Transfer. Miara-miombon’antoka amin’ny Orange money koa ny Smmec, miampy ny toerana fifanakalozam-bola miisa 130 manerana ny Nosy. Misy fanomezan’antoka ho an’ny mpanjifa, ary kely ny zanabola.
Maromaro ny tranombarotra sy orinasa miara-miombon’antoka amin’ny Smmec, orinasa iombonana sy fitahirizam-bola ary findramam-bola amin’izao ankatoky ny fety izao. Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny Smmec, Ramarosaha Fy, omaly, fa omena tolotra vaovao ny mpikambana. Hamoraina ny findramam-bolan’ny mpikambana, ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana any amin’ireo tranombarotra iaraha-miasa. Toy ny tranombarotra Tanatech, mivarotra sy mametaka ny fitaovana avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny Heri Madagasikara, misehatra amin’ny fitaovana madinika mandeha amin’ny herin’ny masoandro (kit solaires). Ny Motostore, mivarotra fitaovam-pitaterana kodiarandroa (moto), na telo (tuc tuc), na efatra (quad),…
Njaka A.