Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna – amrep : Manamafy traikefa ireo mpikambana

Tanterahina etsy Ambodi­vona, nanomboka omaly ka haharitra roa andro, ny fivori­ana fahefatry ny fikambanan’ ny mpitondra misy ny TMT, Global Fishing Watch ary ny FCWC (Fisheries Committee for The West Central Gulf of Guinea). Dinihina manokana ny mahakasika ny fandaharanasa ho an’ny fanatanterahana ny AMREP aty Afrika, fanaraha-maso ny jono eny amin’ ny seranan-tsambo mifototra amin’ny filan-kevitra. Tanjona ny hanamafisana traikefa sy hanomezana fiofanana ho an’ireo firenena miisa enina vao hiditra ao anatin’izany. Miisa 10 ny firenena mpikambana izay tafiditra amin’ny ady maneran-tany amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN).
Manodidina ny 200 ka hatramin’ny 500 tapitrisa dolara isan-taona kosa ny vola very amin’ny «pêche INN» aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Antony anaovana ny atrikasa mba hamehezana izany. Ankoatra izay, voalaza fa sambo mpanjono miisa efatra avy any ivelany no efa tratra nandika lalàna taty amin’ny fari-dranomasin­tsika tao anatin’ny roa taona nidirantsika ho mpikamban’ny AMREP. Manodidina ny 1 700 ihany koa ireo sambo mivezivezy eto Madagasikara isan-taona ka hanamafisana ny traikefa ahafahana miaro sy mifehy ny sisin-dranomasina. Eo koa ny tsy hahavery ny vola tokony hiditra eto amin­tsika.

Henintsoa H.

Partager sur: