Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fikambanana Havàtsa-Upem, sampana Arivonimamo, isika izao. Hotontosaina ny alarobia 18 desambra izao, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny toerana famakiam-boky Clac, ao an-toerana, ny famoahana ilay boky nampitondraina ny lohateny « Fandrotrarana ». Mahatratra 16 ireo mpanoratra ao anatin’ity fikambanana ity, any Arivonimamo, no handrakitra ny sanganasany miisa 5 avy (amboaran-tononkalo) ao anatin’ito boky vaovao ito.
Amboaran-tononkalo mahatratra 80 izay manana lohahevitra samihafa. Ao ny fitiavana, ny tranga eny anivon’ny fiarahamonina, ny tontolon’ny tanindrazana, sns. Ravorombato, mpanoratra sady filohan’ny Havàtsa-Upem, sampana Arivonimamo, no nanao ny teny fanolorana. I Hobiana kosa no nanao ny tsetsatsetsa tsy aritra.
Marihina fa misy fintin’ny tantaran’ny Havàtsa-Upem ihany koa ao anatin’ny boky « Fandrotrarana ». Anisan’ny taninketsa efa nitsimohana talenta maro ny Havàtsa-Upem, sampana Arivonimamo. Misy amin’izy ireny no efa tafapetraka eo amin’ny mpanoratra natao ho fitaratra ho an’ireo zandry aty aoriana.
HaRy Razafindrakoto