TARATRY ny KANTO

Tarika ‘Zay, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Anio, manomboka amin’ny 3 ora sy 28 minitra indray ity fotoana ity, taorian’ny fahombiazana farany tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Seho farany amin’ity taona ity, hatolotry ny tarika ‘Zay rahateo, izay tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Ekar St Francois Xavier Antanimena.
«Anao ny sehatra». Kaonseritra iarahana amin’ireo mpianatry ny Anac, anio manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Mpi­anatra am-polony no notsongaina hanatontosa izany, ahitana ireo mpianatra gitara, accordéon, violon, violoncelle ary piano. Misy ireo efa lavidavitra amin’ny fitrandrahana ny zavamaneno, ary misy kosa ireo vao nanomboka tsy ela akory, saingy efa afaka misedra seho. Hano­trona azy ireo eo ihany ireo mpampianatra ao amin’ity akademia ity.
Tanterahina anio, eny amin’ny IFM Analakely, ny famaranana ny fifaninanana ao anatin’ny “Slam national 15”. Efa fantatra avokoa ireo mpandray anjara amin’izany. Anisan’izany i Orad, Konahy, Lems, Lucianna, Koura, Ratoljah, Mitsinjo,Vtsk. Antenaina ny hisian’ny seho miavaka mandritra ity famaranana ity, raha ny lentan’ireto mpandray anjara ireto.
Handravaka ny sehatry ny Ivokolo Analakely, anio, ny “Tami- Angano”. Hetsika fitantarana angano an-tsehatra iarahana amin’ny fikambanana Tamihako. Ny angano mitantara an’Ikotofetsy sy Imahaka no hotantaraina mandritra izany. Tafiditra ao anatin’ny hetsika famerenana hasina ny kolontsaina malagasy izao hetsika izao.

Partager sur: