Harena an-kibon’ny tany: Tetikasa vaventy fahatelo ny Base Toliara

Hiteraka tombontsoa ho an’ny mponina eny ifotony, ny faritra, ary ny firenena ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Hitondra vahaolana ho an’ny fampandrosoana maharitra.

Naneho hevitra ny mpitantana ny orinasa Base Toliara, rehefa nangina nandritra ny 5 taona, nampiatoana azy nanomboka ny taona 2019. Nambaran’ny tale jeneraly, Ramahefarivo Jean Bruno, omaly, fa « antony roa no nampiatonana ity tetikasa ity raha ny fijerin’izy ireo azy. Voa­lohany, mila fantarina ny tombontsoan’ny vahoaka, ny fanjakana ary ny orinasa amin’ity tetikasa ity. Faharoa, nisy fifanoheran-kevitra teo amin’ny Base Toliara sy ny fanjakana, ary koa teo amin’ny orinasa sy ny vahoaka sasany tany To­liara. Ankehitriny, milaza izahay fa voavaha ireo zavatra tsy mazava ireo, matoa nesorina ny fepetra nampiatoana ny Base. Satria, nisy foana ny fifampiresahana tsy tapaka niarahana tamin’ny ankolafiny re­hetra, nandritra izay dimy taona izay ». Nomena lanja ny fiarovana ny tontolo iainana, ny sosialim-bahoaka (toeram-pitsaboana, sekoly, famatsian-drano fisotro, fambolena…). Tsy voahelingelina ny mpanjono, tsy ampiasaina ny lalam-pirenena RN 9, ary hisy tetezana manokana haorina any Be­lalanda, hiarovana ny vahilavan’i Fierenana. Tsy voakitika ny morontsirak’i Mangily. Tsy misy fandravana trano fonenana, ary honerana vola ny tompon-tany sy tompon’ny fasana, ao anatin’ny fari-pitrandrahana, sns.
Asa maherin’ny 2 000
Tetikasa harena an-kibon’ ny tany vaventy fahatelo eto Madagasikara ny Base To­liara, aorian’Ambatovy sy ny QMM. Sampana orinasan’ny Base Ressources ao anatin’ny vondrona amerikana Energy Fuels, nanomboka ny oktobra 2024. Mahatratra 770 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ho an’ny fanorenana ny fotodrafitrasa. Maherin’ny 2 000 ny asa mivantana, ka manodidina ny 1 000 ny mpiasa raikitra rehefa mihodina ny orinasa, mandritra ny 38 taona.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: